FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA SYNODAMPARITANY ANTANANARIVO ANDREFANA FITANDREMANA ANOSIZATO HEBRONA
FIRAISAN’ NY SAMPANA SY FIKAMBANANA
“dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’i Kristy” Rom 12 : 5a
Ny Firaisan’ ny Sampana sy Fikambanana eto amin’ ny FJKM Anosizato Hebrona dia tsy rafitra najoro fa fomba fiasa sy fandaminana napetraka, entina hampiroboroboana ny asan’ Andriamanitra sy hampandrosoana ny Fiangonana, hanehoana ny voninahitr’ Andriamanitra. Tsy sampana ambonin’ ny sampana fa mpandrindra.
ANTOM-PISIANY (MISSION) Rom 12 : 5a / Jao 17 : 21
Najoro ny firaisan’ny sampana hanehoana ny maha iray ny sampana, ny maha fianakaviana masina iray, ary ny maha ankohonana iray ny vahoakan’Andriamanitra.
TANJONA KENDRENY (OBJECTIF) Jao 15 : 5
Ny tanjona dia ny hahatonga ireo Sampana rehetra mijoro eto anivon’ ny fitandremana mba ho velona sy hamoa voa tsara araka izay nampijoroan’ ny FJKM azy (Mat 7 : 17a). Ny fahavelomana ambara eto dia ilay fahavelomana maharitra sy mitohy ary azo tarafina eo amin’ ny fiainan’ ny Fiangonana.
Hiasa ao anatin’ ny fanajàna ny antom-pisiany, araka izay nampijoroan’ ny FJKM azy ny sampana rehetra ka tsy ho hita eto amin’ ny FJKM Anosizato Hebrona ny fifanitsahana andraikitra sy ny endrika fifaninanana rehetra manakona ny voninahitr’ Andriamanitra ka miteraka fifampiandaniana sy fitsitokotokoana.
ASA ATAO (ACTIVITES) Mar 16 :15
Ny firaisan’ ny sampana dia fampivondronana ireo Sampana sy Fikambanana mba hisian’ ny fiombonana, fifamenoana, fiaraha-mientana ary fiaraha-miasa amin’ny asan’ny Fiangonana.
Mandefitra manoloana ny fandaharam-potoanan’ ny Fiangonana .
Hiasa sy hanohana ny Asa Fitoriana ny Filazantsara ary miara-mientana sy mifanampy amin’ ny vina izay tanterahin’ ny Fiangonana reniny.
Ny asa atao araka izany dia mifototra amin’ ny fampahafantarana ny sitrapon’ Andriamanitra, fampianarana sy fitaizana ary fitarihana ny mpikambana aloha, vao ny kristiana rehetra ato amin’ ny Fiangonana hankamamy ny fiombonana sy ny firaisana masina.
Ho amin’ izany dia karohina izay fomba rehetra hahafahana mampitambatra ny hery, hitrandrahana ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana hanitarana ny ambaindain’ ny fanjakan’ Andriamanitra sy fanorenana ny tranon’ ny Fanahy.
Tahaka izao ny fomba fiasa :
Mitarika ho amin’ ny fanehoana sy fampiharana ny fifamenoana sy fifanampiana eo amin’ ireo sampana valo sy ireo fikambanana najoro eto amin’ ny Fiangonana ireo.
Manambatra ny hery ary mitarika amin’ ny fanatanterahana sy fanohanana ny asa fitoriana ny Filazantsara araka izay faritan’ ny sampan’ asa AFF.
Manao izay hisian’ ny filaminana sy firindràna maty paika eo amin’ ny fanantanterahan’ ny sampana sy fikambanana ary ny kristiana isam-batan’ olona ny zara fanompoany amin’ ny fitoriana ny Filazantsara sy fijoroana ho vavolombelon’ I Jesosy Kristy amin’ ny Teny sy ny Asa.
Ireto avy ireo Sampana efa mitsangana ara-dalàna eto amin’ ny Fiangonana : DORKASY, SEKOLY ALAHADY, LEHILAHY KRISTIANA, TANORA KRISTIANA, FIFOHAZANA, VOKOVOKO MANGA, MPANAZAVA SY TILY, VONDRONA FOTOTRA LAIKA, SAMPANASA ASA FITORIANA NY FILAZANTSARA
Ny Fikambanana kosa dia ny : DIAKONA SY LOHOLONA, MPITORITENY SY KATEKISTA