Teny fanolorana

Fifaliana ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny Biraon’ny Fiangonana ary ny Fiangonana F.J.K.M. Anosizato Hebrona ny manolotra amintsika ny fanehoana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izay iorenan’ny Finoana Kristiana izay ananana ny Fiainana mandrakizay. Marihina fa raha mbola tsy nihaona sy nandray an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy ny olona iray dia mitoetra amin’ny fahafatesana izy . Ny asa ataon’izany olona izany dia “Asa maty” izany hoe asa mitondra fikorontanana ; faharavana ; fahapotehana . Vokany, lavitra ny fifaliana,  ny fahombiazana , ny alahelo sy ny fahadisoam-panantenana no mameno ny androm-piainana ka loa-bava mihitsy izy hoe : “ LEON’NY MIAINA” ka mitarika ny manodidina azy sy mifanerasera aminy amin’ny fanakorontanana ; fandravana ; fanapotehana amin’ny endriny samihafa .

Miseho amin’ny lafiny maro ireny “Asa Maty” ireny izany no maha-maika ny Avo Indrindra naniraka ny Zananilahi-tokana dia Jesoa Kristy fiainan’izao tontolo izao ka nanala ny olona izay mino sy mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy tao anatin’ny fahafatesana ka namindra ny olona mino Azy ao amin’ny fiainana mandrakizay !

Ny fiainana mandrakizay dia Jesoa Kristy , Ilay Andriamanitra marina izay manadio sy manamarina ary manamasina izay rehetra mino an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy! Ny fiainana mandrakizay izay atolotry ny Avo Indrindra mamaimpoana amin’ny alalan’ny finoana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izay torina sy ambara ary ivelomana ao amin’ny Fiangonana FJKM Anosizato Hebrona.

Koa manasa antsika izay rehetra tapakevitra hino sy hanaiky an’I Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy hiara-mifarimbona isika hampandroso ny finoan’ny Filazantsara dia samy hahery amin’ny Teny sy Asa isika rehetra eo ambany Fitarihan’ny Fanahy Masina hampandeha haingana ny fandrosoan’ny  Tenin’Andriamanitra eto amin’ity izao tontolo izao hanjakan’ny fahafatesana ity!  

Fandalinana : Jaona3.16 – 21 ; 1.12 ; Romana 8.1- 4 ; 8.15 – 17,14 ; 8.31 – 34

Ny Mpitandrina RANDRIAMAHADIMAMANANA Falisoa Heriniaina

034 09 039 54/032 02 293 21/033 09 490 24; falisoapast@gmail.com