« Miderà Azy noho ny asany lehibe, miderà Azy araka ny haben’ ny Voninahiny » Salamo 150 : 2
Tamin’ ny taona 1867 dia nizara roa ny tanànan’ Anosizato, andrefana sy atsinanana, nosarahin’ ny reniranon’ Angomahoma (Ikopa ankehitriny). Vokatry ny famangian’ ireo kristiana avy teny Ambohitantely, dia najoro ny fiaraha-mivavaka ho an’ Anosizato roa tonta ka teo amoron’ Angomahoma no nifamotoana fa ny mpitarika fotoana sy ny mpitoriteny no nitaingin-dakana teo afovoan-drano.
Tsy naharitra ela io fiangonana amoron-drano io, fa io taona 1867 io ihany dia nahatsangana trano fiangonana ry zareo teny andrefana.
Sarotra ho an’ ny avy ety atsinanana ny nita rano ka nanomboka teo ny ezaka nananganana trano fiangonana tety atsinanana ka ny volana oktobra 1868 dia tafajoro ny trano fiangonana teto amin’ ity toerana misy ny FJKM Anosizato Hebrona Ankehitriny ity.
Trano zozoro ny trano fiangonana voalohany teto tamin’ izany izay tsy naharitra fa nosoloana trano tora-peta, izay tsy naharitra ela ihany koa dia voasolo trano lehibe sady tsara, vodivato sy voatafo tafo tanimanga ka nirefy 19m ny lavany ary 9m ny sakany ary nanatrika ny tanànan’ Anosizato Atsinanana ny tilikambo.
Nikambana tamin’ ny FFMA tamin’ ny taona 1919 ny fiangonana Anosizato Atsinanana ary nijanona ho Frenjy hatramin’ ny taona 1968 izay nijoroan’ ny FJKM.
Ny 29 septembre tamin’ io taona 1968 no nitokanana izao trano fiangonana hitantsika ankehitriny izao izay nanomboka nitondra ny anarana hoe FJKM Anosizato Hebrona.
Fantatra fa Misionera vahiny folo mianaka no nifandimby nitondra sy nifanampy tamin’ ny Mpitandrina teto Anosizato Atsinanana tao anatin’ ny 89 taona teo ho eo ka hatramin’ ny taona 1957 dia Henry E. Clark, KINGZETT, OLAF HODGKIN, John SIMS, Alexandre CURRIE, Miss HINCHLIF, Mrs RAWS, John GORDGE, Josiah MASON ary Lawrence NAISH.
Mpitandrina dimy kosa no nifandimby hatramin’ ny taona 1938 dia RAINIMASO, RAINIMANANTSEHENO, RAJEMISA, RAHAROVONY ary RAJAONA.
Ireo Mpitandrina nifamdimby nitondra ny Fiangonana kosa nanomboka ny Taona 1938 dia :
- Pasteur RAHAJASON ny taona 1938 – 1971
- Pasteur RASOLONJATOVO Emmanuel ny taona 1972 – 1978
- Pasteur RANDRIAMITANDRINA Jacques ny taona 1979 – 1993
- Pasteur RAMAMONJIARISOA Robert ny taona 1993 – 2005
- Pasteur RANDRIAMAHADIMANANA Falisoa Heriniaina nanomboka ny taona 2006 hatramin’ izao.
Ny fiangonana teto Anosizato no nanomboka ny lamban’ Alitara niovaova nanaraka ny taom-piangonana satria efa niainana teto izany talohan’ ny nanapahan’ ny FJKM hevitra tamin’ ny Synoda lehibe tany Arivonimamo ny taona 1980.
Anosizato ihany koa no nanomboka ny Herinandro Masina feno raha ny Alakamisy sy ny Zoma Masina ihany no nisy fotoam-bavaka tany amin’ ny fiangonana maro.
Fiangonana tena nahay nihira Anosizato Atsinanana ary tsy nahagaga izany satria mpampianatra hira nahay pasteur RAHAJASON izay namorona ny hiram-pirenena malagasy rahateo.
Anisan’ ny fiangonana manana mpamoron-kira maro koa Anosizato Hebrona satria ankoatra ireo tanora miezaka mifaninana amin’ ireny famoronana hira faneva isan-karazany ireny dia misy valo mirahalahy ny mpamoron-kira vorakitra an-tsoratra dia Pasteur RAHAJASON, Pasteur RAKONTONDRAFARALIVAO Josefa, RAKOTOBE Emmanuel, RAHOLISON Rémy, RANAIVO François Honoré, RANDRIANAIVOJAONA Harilalao Solofondramanana, Pasteur RANDRIAMITANDRINA Fenosoa ary RAMAMIHARIMANANA Désiré.
Betsaka sady tsy ho voatanisa eto ny asa vita nandritra izay 153 taona izay fa vitsivitsy ihany no holazaina :
- Tao ny fananganana ny dispensaire « Crena » niarahana tamin’ ny SAF FJKM
- Ny fahavitan’ ny Akany « Pasteur RAHAJASON » izay sady trano vadim-piangonana sady tsangambaton’ ny faha-140 taonan’ ny Fiangonana
- Ny fananganana ny fiangonana FJKM Ampanarinjono Fahazavana izay notokanana tamin’ ny 07 jolay 2018 teo
- Ny fananganana ny FJKM Barabay Fahazavana any Beloha Androy sy ny asa misiona any amin’ izany faritra Androy izany. Izany Trano fiangonana izany moa dia notokanana sady natolotra ny Synodamparitany Ambovombe Atsimo Kristy Ranovelona tamin’ ny 16 aogositra 2015 saingy Anosizato Hebrona no mandray an-tanana ny Mpitandrina any an-toerana izay naterina tany an-toerana ary napetraky ny Synodamparitany tamin’ ny Alahady 02 septembre 2018 teo.
- Anisan’ ny tsangambaton’ ny jobily faha-150 taonan’ ny fiangonana ny fananganana trano vadim-piangonana ho an’ ny FJKM Barabay Fahazavana tamin’ ny 16 jolay 2018 teo.
- Tsy latsa-danja amin’ izany rehetra izany ny ezaka fitaizam-panahy ny Fiangonana sy ny sampana rehetra izay nataon’ ireo Mpitandrina nifandimby teto sady tohizan’ ny Mpitandrina amperin’ asa rahateo.
- Ao ny Tafika Masina anatiny fa eo ihany koa ny Tafika Masina anatiny sy ny fanohizana ny Tafika Masina ivelany ary isaorana an’ Andriamanitra ny fahavitan’ ny fananganana ny sampan’ asa AFF tany Mahazaza, Antanifotsy, Ambatofinandrahana, Ambalavao Tsihenimparihy, Fanandrahana, Antetezampasika, Marozevo ary Ampanarinjono.
Tamin’ ny taona 2011 dia nametraka vina hanohy ny Tafika Masina sy ny asa misiona any amin’ ny Distrikan’ i Beloha Androy ny FJKM Anosizato Hebrona hatramin’ ny taona 2021.
Fa nisy ihany koa ny fotoan-tsarotra nolalovan’ ny fiangonana raha tsy hilaza afatsy ny vanim-potoana tsy nananana Mpitandrina isika.
Nitranga izany ny taona 1978 izay naharitra 11 volana, sy tamin’ ny taona 2005 izay nialohavan’ ny tsy fitoviam-pijery ny zava-nitranga teo amin’ ny Fiangonana.
Notsarain’ ny fiangonana manodidina ho fiangonana be fombafomba Anosizato Atsinanana tamin’ ny andron’ i Pasteur RAHAJASON ka nisy fotoana tena tafasaraka tamin’ ny maro mihitsy.
Isaorana ny Tompo fa mijoro hatrany ny Fiangonana satria izany rehetra izany dia lalana itondran’ Andriamanitra ny Fiangonany daholo fa « ireo rehetra ireo dia asan’ ny Fanahy iray ihany zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony » IKor 12 : 11.
Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amen !