5 minitra Sekoly Alahady 19 Jona 2022

📖

Soratra Masina: Fa ambonin’ny zavatra rehetra, mitafia ny fitiavana izay mamehy ny hatsaram-panahy rehetra ho tanteraka.Kôlôsianina 3:14 DIEMSarobidy ny fotoana miaraka amin’ny ankohonana

  • Isan-kariva dia miandry izay hahatongavan’ny dadany avy miasa foana i Toavina kely, zazalahy kely 7 taona. Matetika anefa dia tsy mba mahita ny rainy izy fa alina be foana ity farany vao tonga. Indray hariva anefa dia nanapa-kevitra izy fa handrasany na amin’ny firy na amin’ny firy vao ho tonga ny dadany . Tonga tamin’ny 9 alina indro tonga ny rainy, gaga nahita an’ i Tiavina nipetraka teo efitrano fandraisam-bahiny miaraka amin’ny reniny ka nanontany hoe maninona no mbola tsy matory ianao ry Tiavina? Dia hoy izy namaly ny dadany hoe : – « Dada a! afaka manontany anao ve aho? » »-  » Inona izay fa maika hatory aho ? hoy ilay raim-pianakaviana , izay efa sorisorena fa efa reraky ny asa tontolo andro.- Toavina: ohatrinona isan’ora ny vola azon’ i Dada isan’andro kay?- Dadan’i Toavina: inona izany fanontanianao izany ry Toavina? ary inona no idiranao amin’izany sady niaka-peo ity raim-pianakaviana. – Toavina: « Te hahafantatra fotsiny aho hoy izy.Saika tezitra ny dadan’i Toavina fa nahatsindry fo ihany no namaly tsy sazoka hoe 2 000ar isan’ora « hay ve.. » hoy ny navalin’i Toavina, izay hita ny fahadisoam-panantenany. « Dada ô, azonao ampindrana 1000 ar fotsiny ve aho, azafady? » »Tezitra be ilay raim-pianakaviana nanao hoe: – « Izany ve no antony nanontanianao an’izany? » Heverinao ve fa izany no fomba ahazoanao vola hividianana kilalao? Nanondro ny rihana ambony izy ary nanohy hoe: « Mandehana faingana, matory, any amin’ny efitranonao any fa aza manadala ahy efa vizana zany.
  • Toy ny ankoho voakapoka i Toavina nijaingijaingy namonjy ny efitranony hatory.Fa tsy azo-tory dadan’i Tiavina ,niasa saina tamin’ny fanontaniana feno fahasahiana napetraky zanany, angamba hoy izy anakam-po tena mba misy zavatra tiany ho vidiana tokoa .Nanenina tamin’ny trerona nataony ity raim-pianakaviana ka indro Nitsangana teo am-pandriany ny anao lahy ka nandeha nakao amin’ny efitranon-janany. Ity farany koa mbola tsy natory fa nifokofoko tao anaty bodofotsy noho ny teny mahery azo tamin’ny dadany. Hoy rainy hoe: – “Matory ve ianao, anaka? hoy izy nibitsibitsika.- “Tsia dada, mbola tsy matory aho sady nofafany haingana ny ranomasony”, – Mifona aho anaka fa mafy loatra ny teniko taminao teo fa indro ny vola 1000 ar nangatahinao fa omeko anao sady nosafoiny ny lohany.
  • Endrey ny hafalian’ i Toavina ka namaly hoe: – « Misaotra dada! » , ampy tery ny volako . Dia namaly rainy hoe : – fa hividy inona izany ianao anaka? Dia namaly Toavina hoe : – Dada ô fotoana elaela aho nanangona ny goûter ako izay nahatratra 1000ar, ka raha nanontany anao aho teo hoe ohatrinona isan’ora ny karaman’i Dada dia namaly Dada hoe 2000 ar ,dia faly be aho fa feno 2000 ar ny volako zao fa nomenao ity 1000ar ity aho, koa hono aho ry Dada afaka mividy ny ora iray amin’ny fotoananao rahampitso ve aho amin’ity volako ity fa Te hiara-misakafo aminao izahay sy Neny fa fetin’ny Ray manko rahampitso ? Tsy tsindrin’ ity raim-pianakaviana ity intsony ny fony fa tena ontsa loatra, nofihininy sy norohany ity zanany no niteny hoe: – tsy vidinao anaka ny fotoanako fa tanterahako ny fanirinao fa ho tonga aloha tokoa aho , tsy tsaroako akory, hay moa fetin’ny ray rahampitso. Dia indro niverina nifamihina indray izy mianaka.
✍

Hafatra: Maro ny tokantrano amin’izao fotoana izao no zara raha mifankahita ny mpianakavy nohon’ny asa aman-draharaha ny ray aman-dreny, ny fianaran’ny ankizy. Hazakaza-dava ny fiainana, tsy misy intsony ny fiarahana . Ry raim-pianakaviana, aza adino ny jerosalemanao dia ny tokatranonao , makà fotoana ho azy ireo, maneho fitiavana na vizana aza, raha tafalatsaka amin’ny teny mahery aoka hanetry tena.Rankizy malala tsy mora ny mahazo an’i dada sy Neny miala maraina tsy tonga raha hariva be nohony asa mafy amin’ny famelomana ny ankohonana, koa mivavaha ho azy ireo, mitomboa fahendrena, alaviro ny ditra amin’ny endriny samihafa, manehoa fitiavana hatrany. Tsy tanteraka anefa izany firindran eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka izany raha tsy mametraka ho laharam-pahamehana ny fiaraha-mivavaka ka maka fotoana manokana ny ankohonana, ahazoana hery hahatontosa izany miaraka amin’ny Tsodranon’Ilay Nahary ny fianakaviana.

🙏

Vavaka: Jesoa ô tahio ny tokatranonay , mba hanjakan’ny fifankatiavana .

🎉

Miarahaba ny ny ray rehetra nahatratry ny fetin’ny ray 2022 ô, ny Tompo momba anao ry lehilahy mahery

🎉

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *