Soratra Masina : » Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. »
2Timoty 1:7
I Mino sy Faly dia mpinamana tsy mifankafoy saingy i Mino dia fianakaviana kristianina
sahirana, mazoto mianatra Sekoly Alahady , ary mazoto misaotra an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ry Faly kosa dia fianakaviana manan-katao, Kristianina ihany fa tsy dia mazoto mivavaka loatra.
Indray andro dia nasain’i Faly hisakafo tany aminy i Mino izay tsy nanda ity fanasana
Nialoha io fanasana io ny dia tsy nitsahatra isan’andro nilaza izay tokony hatao ny renin’i Mino hoe : rehefa misy manontany dia valiana sy manaja tsara, miteny azafady tompoko sy misaotra tompoko amin’ny fotoana hitenenana, tsy miteny rehefa misy zavatra ao am-bava, ary ny tena lehibe indrindra dia mivavaka alohan’ny sakafo.
Tonga tokoa ary ilay andro. Samy naka ny toerany fa hisakafo ny rehetra. Faly ery i Mino nahita ny sakafo betsaka teo amin’ny loviany.
– Ao e hano e mazotoa r’ise Mino a! hoy i dadan’i Faly
Efa noana be tokoa i Mino saingy tsy nandray sotro izy,
– Fa ahoana, hoy ny dadan’i Faly, tsy tian’ise angaha ny sakafo?
-Tsia tompoko hoy i Mino, misaotra tompoko fa tiako mihitsy ka
-Avy dia hano ary e! hoy indray dadan’i Faly.
nefa tsy nihinana ihany Mino
– Misy zavatra tsy tian’ise angaha ireo, ny harikovera ve sa ny laisoa sa ny saosisy amin’ny henakisoa?
– Tsia tompoko, tena tiako daholo fa misaotra tompoko
– ka Hano ary fa efa nandray sotro daholo ny olona e!
tsy nihetsika i Mino sady menamenatra.
– Napetrak’i dadan’i Faly ny sotrony. Niahiahy izy, tena tsy salama ity zaza ity. Maninona ise hoy izy, afaka soloina tacos na pain frite anie ny sakafo raha tsy mety eh
– Misaotra tompoko hoy Mino, mety be amiko daholo ireo saingy….
– Saingy ahoanà? sady tany amin’i Mino avokoa ny mason’ny rehetra
– Saingy mbola tsy nivavaka isika hoy i Mino, tsy mbola notahian’ny Tompo ny sakafontsika.
Nangina daholo ny teo ambony latabatra, menamenatra ny tompontrano
Nijery manodidina ny dadan’i Faly sady niteny hoe: Marina tokoa izany, misaotra r’ise mampahatsiaro. Ataovy ary se ny vavaka, eny tsy maninona na efa nisy nihinana ary izahay , vita vavaka dia nisakafo am-pifaliana ny rehetra
✍Hafatra: Isika koa anie mba ho toa an’i Mino, ho sahy Hanambara ny sitrapon’Andriamanitra mandrakariva, na misy aza ny olana. Ny Fanahy Masina izay miasa mahery ao anatitsika manko no mahatonga antsika tsy ho menatra ka hijoro vavolombelona tahaka ny nataon’i Mino izao . Betsaka no tsy sahy satria ilay fanahy osa no mitarika azy, ny sasany ohatra menatra mitondra Baiboly raha handeha hivavaka sao rabirabian’ny namant raha sendra hitan’izireo.
Fa ianao kosa Ataovy vavaka isan’andro ny mangataka ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ry mpianatra Sekoly Alahady malala mba Ilay Fanahy mahery no mitarika sy manolo-tsaina anao
ary Tiava mivavaka na aiza na aiza toerana misy anao.
Ry ray aman-dreny, ry mpampianatra Sekoly Alahady , isika no modely, isika no tarafin’ny ireo zanatsika, koa aoka ho vavolombelona amin’ny teny sy ny asa isika eo anatrehan’izy ireo.
🙏Vavaka : Fanahy Masina ô, feno Anao hatrany aho, manaiky ho tarihinao sy omenao hery hatrany aho mba tsy ho menatra hijoro vavolombelona na aiza na aiza toerana misy ahy amen