Soratra Masina: Miraisa hina. …Ary raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.
Rômanina 12:16a, 18 DIEM
Ireo fitaovan’Ingahy mpandrafitra
Tanana kely iray tao Betlehema no nitranga ity tantara Ity. Tao amin’ny trano fiasan’ny Mpandrafitra iray dia nanao fivoriana Téo ambon’ny latabatra fiasana ny ireo fitaovam-piasany rehetra fa nanararaotra ny tsy nahateo ilay mpandrafitra. Naharitra sy nafana ny fivoriana, ary nafana fo mihitsy aza ny sasany tamin’ireto fitaovana Ireto. Ny hevi-dehibe tamin’ity fivoriana ity ny hanilihana tsy ho mpikambana intsony ireo fitaovam-piasana sasantsasany ao anatin’ny fikamban’izy ireo, ka toy izao ny santionana ny resaka:
– aleo tena esorina ato amin’ny Fikambanana mihitsy i tsofa rahalahintsika. Jereo ange ty nifiny e! maranitra be , tena mankadilo mihitsy izy rehefa miasa. Tsy vitan’izany koa fa miteraka fanorisorenana hoantsika mihitsy izy nohon’ny toetrany tsy mitsitsy ity fa tonga dia manapatapaka avy hatrany, marina mihitsy izany ho ny hafa.
– Ianao koa ry maritoa, tsy mila anao intsony izahay fa mitondra tabataba sy mpikapokapoka izay tsy izy ianao. Ilay fomba fiasanao mihitsy no tena mahirana miaraka amin’i fantsika maranitra izay im-piry moa izay ny tompotsika no maratra mafy vokatry ataonao , manginy fotsiny ireo loadoaka avelanao amin’ny rindrina sns izay manaratsy endrika izay tsy izy tsy , ny mety aminareo 2 ireto izany dia miala e!
– ianareo koa ry papier vert, sy ny rabot mitondra loto sy vovoka, miala ato amin’ny Fikambanana koa ianareo.
Farany dia nandray fitenenana ilay fitaovana tery amin’ny sisin-databatra hoe: ianareo rehetra izay nanaratsy ny namantsika ireo, izahay koa ange mahita fa misy tsininy koa ianareo ireo e! , ianao io fotsiny izao ry masinin-kazo ny dridrangilo avoakanao io rehefa miasa ianao tena tsy mahafaly anay mihitsy an, saingy tsy miteny izahay fa isika rehetra ireto dia ilain’ingahy mpandrafitra avokoa, ary rehefa atao koa ny kaonty dia miala ato anatin’ny fikambanana daholo isika fa misy tsininy daholo. Gina ny rehetra nandre izany ary dia niara-niredona hoe marina ny voalazanao. Tapaka hatreo koa ny fivoriana fa indro tonga tampoka ingahy mpandrafitra.
Avy hatrany ity farany dia niasa mafy fa nisy kômandy tsy vitaina ka indro nalainy ny hazo ary nampiasainy daholo ireto fitaovana Téo ambony latabany. Tsy nisy izay tsy nampiasainy dia indro fa vita ilay fihinanam-bilona izay kômandin’ilay mpiompy omby .
Akory anefa ny hafalian’ ingahy mpandrafitra Nandre vaovao afaka andro vitsivitsy fa nandrian’ny Ilay Mpamonjy izao tontolo izao ilay fihinanam-bilona namboariny. Mba faly avokoa ireto fitaovana nifanaratsy ireto fa nampiasaina handraisana Ilay Zanak’Andriamanitra izy ireo.
Hafatra : marina tokoa ry Mpianatra Sekoly Alahady Malala fa misy amin’ny ireo mpiray kilasy aminao ao mety mahasosotra ny toetrany, tsy vahaolana anefa ny fanilihana sy mitady hevitra miaraka amin’ny hafa hanatanterahana izany . Fa na ianao koa aza misy toy izany saingy mandefitra ny hafa e! .Tsy ilaina ny mifanaratsy fa matoa nampiarahan’ Andriamanitra ao amin’ny Sampana ao sy mpiray fiangonana ao dia misy tanjon’Andriamanitra ao hahafaly Azy sy ianao ary ireo namanao . Manao ahoana tokoa moa ny hafaliana rehefa tonga ny fampisehoana ny arbre de Noël izay niara-nomanina nandritra ny fotoana maromaro, izay tena ao anatiny mihitsy isika izao? Aoka ho Mpianatra Sekoly Alahady mizara fifaliana amin’ny hafa amin’ny talenta izay nomen’Andriamanitra anao ianao amin’izao fiomanana ny fahatsiarovana ny fidinan’ny Mpamonjy teto an-tany izao .
Vavaka: Jesoa ô, esory ato anatiko ny toetra manilika ny hafa mba ho tanteraraka ny fifalinao sy ny fifaliako amen