Ho mandrakizay anie ny voninahitr’i Jehovah
Aoka Jehovah hifaly amin’ny asany “Salamo 104 : 31”
Asan’ Andriamanitra izany fahafahana niara-niasa tamin’ Andriamanitra izany izay natao nandritra ny 15 Taona (2006 – 2021) teto amin’ ny Fiangonana FJKM Anosizato Hebrona ka mendrika hoderaina ny Anarany Masina !
Rehefa miteny hoe Asan’ Andriamanitra isika dia mahatsiaro ny nambaran’ i Jesoa Kristy Lohan’ ny Fiangonana manao hoe : “Izao no asan’ Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny” Jaona 6 : 29.
Atao ahoana moa ny hahalala izay nirahiny?
Mila olona Mpitandrina mitory sy mampianatra izany !
Natao hatrany izany ary mbola hatao mandrakariva ambara-pihavian’ i Kristy eny amin’ ny rahon’ ny lanitra Ny Teny Fanevan’ ny Faha-15 taona fiaraha-miasa rahateo dia manao hoe : “Kristy no torina, ary mifaly amin’ izany isika ; eny mbola hifaly ihany isika”. (cf : Filipiana 1 : 18e, 18f, 18g)
Tamin’ ny fomba maro no nentina nanatanteraka izany fa santionany izay misongadina ny fotodrafitr’ asa teto an-toerana sy tany ivelany : Akany, trano fiangonana sy trano vadim-piangonana any Barabay Androy, fanitarana sy fanatsaràna ny trano fiangonana eto amin’ ny FJKM Anosizato Hebrona izay mbola mitohy hatramin’ izao.
Raha Katekista délégué no niandraikitra ny Fitandremana Barabay Fahazavana teo aloha, dia ny Mpitandrina ANDRIAMIASA Andrélin no miandraikitra izany ankehitriny ka ny FJKM Anosizato Hebrona no miahy sy mizaka ny fiveloman’ ny Mpitandrina.
Tao ny Vondron’Olona Mpiara-Mivavaka (VOMM) ao Ampanarinjono Marozevo izay efa lasa Fiangonana ary efa misy trano fiangonana ankehitriny.
Ny taona 2019 dia namaritra vina ny Fiangonana mba ho “ Fiangonana mahery amin’ny asa misiona anatiny sy ivelany, ary mankamamy fiombonana”.
Araka izany dia mirona bebe kokoa amin’ ny fanatanterahana asa iombonana ny Fiangonana, toy ny : fanohanana ny Radio Fahazavana sy ireo Toeram-panomanana Mpitandrina dia ny Faculté de Théologie Ambatonakanga sy ireo Kolejy Teolojika : Ivato, Fianarantsoa, Imerimandroso, Mandritsara ary ireo Toeram-panomanana Mpampianatra etsy Andohalo sy ny any Ambatondrazaka. Ao koa ireo Akany fitaizana sy fanabeazana zaza kamboty (Tangaina sy ny TOPAZA), sy ny maro hafa tsy voatanisa.
Eo am-pananganana ny Vondron’ Olona Mpiara-Mivavaka (VOMM) ao Beloha Androy ny Fiangonana ankehitriny.
Ny taona 2019 ihany koa no nanomboka niasa tamin’ ny “Logiciel” ny Fiangonana amin’ ny fitantanana rehetra (rejistra sy mombamomba ny kristiana, antontanisa, adidy ara-bola sy toe-bola).
Mba hahafahana mirotsaka an-tsehatra bebe kokoa eny anivon’ ny fiarahamonina dia eo an-dalam-panaovana fanadihadiana (enquête) ny Fiangonana hahafantarana ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavan’ ny Kristiana tsirairay.
Anisan’ ny Fiangonana manana mpilatsaka an-tsitrapo vita fiofanana ny FJKM Anosizato Hebrona izay afaka mitarika ny Fiangonana amin’ ny fifanomezan-tanana amin’ ireo asa samihafa eny anivon’ ny fiarahamonina sy ny firenena.
Vokatr’ izany rehetra izany no nahafan’ ny Fiangonana nanohana ny “Aumonerie SPAA 10” nandritra ireny fotoana niatrehana ny valanaretina ireny sady nahafahan’ ny Fiangonana nizara fanampiana in-efatra miantoana ho an’ ireo olona noheverina ho marefo tato anatin’ ny Fiangonana sy teto amin’ ny Fokontany niaraka tamin’ ny dispensaire CRENA.
Tena eo am-panantanterahana izany asa misiona izany mihintsy ny Fiangonana ankehitriny raha miara-miasa amin’ ny CUA ka mandray an-tànana ny fitoriana ny Filazantsara sy fitaizam-panahy amin’ ireo olona mpatory an-dàlana sy tsy manan-kialofana teto Antananarivo renivohitra ka natoby ety Anosizato ary antsoina hoe “Akany Iarivo Miray”
Santionany amin’ ny asa vita sy atao amin’ izao fanamarihana ny faha-15 taona niara-niasa teo amin’ ny Mpitandrina mianakavy sy ny Fiangonana FJKM Anosizato Hebrona ireo fa kendrena amin’ izany rehetra izany ny hoe :
“NY OLONA MANONTOLO SY NY OLONA REHETRA ETO AMIN’ NY FJKM ANOSIZATO HEBRONA DIA HO FITAHIANA HO AN’ NY FIRENENA REHETRA TOKOA. AMEN !