Hafatra ho an’ny mpampianatra sy ny mpianatra Sekoly Alahady

Ho aminareo anie ny Fiadanana,

Miarahaba antsika nahatratra ny herinandro masina, izay natomboka tamin’ny alahady 5 aprily teo ary fantatra amin’ny anarana hoe: « Alahadin’ny Sampan-drofia ».

Isan-taona dia ny Sampana Sekoly Alahady no misantatra ny herinandro masina. Noho ny antony iarahana mahalala anefa dia nakatona ny fiangonana ka tsy afaka notanterahina ny fiombonam-bavaka.

Tsy midika fanafoanana ny foto-kevitry ny herinandro masinan anefa izany satria misy ireo vaholana natolotry ny ambaratongan-drafitra ahazoana miombom-bavaka manaraja ny dian’ny hazo fijaliana sy manovo aim-panahy.

Entanina isika tsy hanadino ny fihetsika maha-te ho tia nataon’ny vahoaka nihoby an’i Jesoa Kristy fony Izy hiakatra an’i Jerosalema (Mat 11: 1 – 11):

  • Mihiaka fiderana
  • Manome ny tsara indrindra
  • Mitsimbina ireo marefo

Hafatra

  1. Aoka hibanjina mandrakariva an’i Jesoa Kristy: hanaiky ho tarihany, hanara-dia Azy ka tsy hihaino afa tsy ny feoany
  2. Aoka hanana ny toe-tsain’ny Mpihazakaza vonona hiaritra ny mafy, hisedra olana kanefa feno fanantenana sy toky handrombaka ny fandresena.

Atoavy izany mba ho « fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao »(Isaia 49: 26d)

Suzette ANDRIAMITANDRINA

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *