« Fa Izy no hanafaka anao amin’ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza… » Sal 91 : 3-4
Rankizy malala, tsarovy mandrakariva fa efa tia hatramin’ny taloha, hatramin’izao ary mbola hitia anao mandrakizay Jesoa tia zaza. Izy koa efa nanome toky fa tsy hijeryfotsiny fa homba mandra-pahatonga ny fahataperan’izao tontolo izao .
Koa ario ny tahotra, matokia Azy fa Izy tsy handao fa homba anao tahaka ny nambombany azy mianadahy kely hita eto amin’ity sary eto ambany ity.
Hafatra : Araho tsara ny toro-marika nomen’ny tompon’andraikitra mikasika izao fihibohana izao.Mijanona ao ao an-trano , aza adino ny manao famerenana ny lesona efa vita sy mamaky mofon’aina ary mitolona am-bavaka.
Homba anao anie Jesoa !
Suzette ANDRIAMITANDRINA