Hafatra ho an’ny vita fiofanana (SETELA, SEFALA, SAMM,…) ary navoaka araka ny fombam-piangonana

Ry havana malala,

Anisan’ny andraikitry ny vita fiofanana sy navoaka araka ny fombam-piangonana ny « mitory ny filazan-tsara ary mitaonany olona rehetra sy ny olona manontolo hiaina amin’ny tenin’Andriamanitra » (Mar 16 :15).

Mandia fotoan-tsarotra ny Firenen-tsika ary tsy ny antsika ihany fa izao tontolo izao mihitsy. Ny fotoana tahaka izany indrindra no ilana ny fijoroan-tsika koa entanina isika hiezaka ka hanao izay tratry ny hery  hitaona ny havana ny tapaka sy ny namana eny ny malagasy rehetra hiverina  amin’Andriamanitra, hibebaka sy hitalaho Aminy ka hangatakany famindrampony.

Aoka hifampivavaka sy hifampahery fa tsy havelan’ny Tompo hangasihasy izay manaraka Azy. Ary dia ho hitantsika indray :  « … ny tsy fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy .» (Malakia 3 :18).

Aza atao sakana ny fihibohana fa ampiasao ny fitaovana rehetra eo am-pelatanana hanefanao ny andraikitrao.

Homba antsika mandrakariva anie ny Tompo.

Ny biraon’ny Fikambanana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *