NY SEKOLIN’ NY FIAINANA KRISTIANA
Mila mianatra mandrakariva isika mpino Kristiana hahazoana mitombo amin’ ny finoana sy fahalalana tsara an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina. Hanefen’ Ilay Ray be fitiavana antsika ho vonona amin’ny asa tsara rehetra, sy ny teny tsara rehetra no kendreny amin’ izany ka hisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra amin’ ny ataontsika rehetra na aiza na aiza ananantsika fahavelomana. Indro manoro hevitra antsika Jesoa Kristy Tompontsika manao hoe :
“MIANARA AMIKO” Mat. 11 : 29b
Fantatry ny Tompo Jesoa tsara ny ady atrehantsika, ny fahasahiranana mianjady amintsika, ireo olana samihafa lalovantsika. Koa miantso antsika tsirairay avy Izy manao hoe : “MANKANESA ATY AMIKO” Mat.11 : 28a. Miatrika olana mandrakariva tokoa isika, nefa tsy avelany hiady irery fa vonona Jesoa Kristy hiara-miady amintsika, eny hampandresy antsika mihitsy ny Tompo amin’ izany. Eto dia lazainy fa manome fitsaharana ny tenany, izay midika hoe : “Fiadanana”, ary azo adika koa hoe : “afaka ahiahy na afa-tahotra na afaka amin’ ny horohoro sy ny tebiteby rehetra”. Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Rainy an’ i Jesoa avokoa ka izany no iantsoan’ ilay manana ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany antsika hoe : “MANKANESA ATY AMIKO”.
Manaraka izany dia baikoin’ i Jesoa isika amin’ ny teniny manao hoe : “ENTO NY ZIOGAKO” dieny mbola tanora isika araka ny ambaran’ ny mpaminany hoe : “Tsara amin’ ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy ”Fitomaniana 3 : 27. Ambaran’ i Jesoa fa mora ny ziogany ary maivana ny entany!
Manoloana izany rehetra izany dia misy toetra na toe-panahy mila ianarantsika amin’ i Jesoa hahazoantsika ireo voalaza rehetra teo dia ny :
“MALEMY FANAHY SADY TSY MIAVONAM-PO ..”
Araka ny Toriteny nataon’ i Jesoa tao an-tendrombohitra : “SAMBATRA NY MALEMY FAHAHY FA IZY NO HANDOVA NY TANY” (Mat.5 : 5)
Tonga mandova ny tany izay rehetra malemy fanahy. Iaraha-mahalala ny ady tany eto amintsika nefa ilay manana ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany no miteny hoe “MANDOVA NY TANY NY MALEMY FANAHY”. Mino izany Tenin’i Jeso izany ve izaho sy ianao? Raha mino izany isika dia hahita ny voninahitry ny Tompo ! ( cf : Jao. 11.40b)
Farany, mahatsara ny fifandraisana ny fialàna amin’ ny avonavona satria foana ny elanelana. Jesoa Tompontsika izay tao amin’ ny lapan’ ny voninahitra nefa nanaiky nietry nidina tety amintsika izay anjakan’ny faharatsiana sy fahotana mbamin’ ny fahafatesana. Nentiny avokoa izany rehetra izany, nangidy mihitsy ny nahazo Azy. Fianarana lehibe ho antsika rehetra izany ka mila “mianatra amin’ i Jesoa mandrakariva isika“ haherezana amin’ ny fanompoana sy hahatanteraka ny hoe : “FILAZANTSARA HO AN’ NY OLONA REHETRA SY HO AN’ NY OLONA MANONTOLO”.
Ho fanohizana dia vakio : Kolosiana 3.12 – 17; Filipiana 2.5 – 11; Jakoba 4.5 – 6