Tafajoro eto anivon’ny Fiangonana FJKM Anosizato Hebrona ny Fikambanan’ ny Mpitoriteny sy Mpiandry ary Katekista (F.M.M.K). Eo koa ireo olona nivoaka tamin’ny Sehatra Teolojika ho an’ny Laika na ny Filière de Théologies pour les Laics. Misy koa ireo niofana tamin’ny Sekoly manomana ny mpampianatra Sekoly Alahady.
Azo lazaina fa manantombo kokoa mihoatra ny samy kristiana ireo olona voalaza teo aloha ireo amin’ny fahalalàna Soratra Masina. Azo antoka fa raha raisina amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina izany dia mampitombo azy ireo amin’ny finoana. Koa ny olona manana finoana dia mandray ho an’ny tenany ny Tenin’ny Apostoly masina hoe : “EFA NIASA FATRATRA MIHOATRA NOHO IZY REHETRA AHO…” IKor.15:10b. Manana adidy sy andraikitra ny Mpikambana ao amin’ny F.M.M.K. hamatsy Tenin’ Andriamanitra ny kristiana amin’ny sehatra rehetra hahafahana manao izany ; dia any anaty Sampana sy Sampan’Asa, Fikambanana, Faritry ny Fiangonana.
Raha manao izany ny mpikambana ao amin’ny F.M.M.K. fa tsy mitazam-potsiny dia mampitombo ny finoanan’ ny Kristiana namana izany ka handrosoan’ny Tenin’Andriamanitra faingana amin’ny olona rehetra .
Ho avy tsy ho ela, hafainganina araka izay azo atao ny fifampizaràna andraikitra araka ny fanomezam-pahasoavana manandrify ny tsirairay hahazoana manao izany. Ny Tanjona dia hahatonga ny kristiana tsirairay avy tsy ho zaza amin’ny finoana sy fahalalana ary ny fitiavana ka ho mora kivy na hiraviravy tanana manoloana ny ady atrehina aty amin’izao tontolo izao, indrindra amin’ireo karazana fampianaran-diso izay mamilivily ny finoan’ny olona hiala amin’i Jesoa Kristy Tompon’ny finoana sy Mpanefa azy.
Eto am-pamaranana dia efa nanafatra antsika Jesoa Lohan’ny Fiangonana hoe : moa tia Azy ve isika ? Tanteraho ny baikom-panompoana manao hoe : “Fahano ny ondriko ary Andraso ny ondriko !”( cf : Jaona 21.15 – 17). Maro ny amboadia izay tia mamiravira ny ondry ka manimba sy mamono ny ondry mihitsy. Tsy afaka hitazam-potsiny izany isika mpikambana ao amin’ny F.M.M.K. fa atosiky ny Fitiavan’i Kristy ka mitady ny fomba rehetra hahatonga ny kristiana ho lehilahy lehibe sy vehivavy lehibe amin’ny finoana sy fahalalana ary ny fitiavana sady mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana.
Mifampanompo amin’ny fanomezam-pahasoavana ny kristiana eto anivon’ny Fiangonana FJKM Anosizato Hebrona !
Azo tanterahina tsara ny vinan’ny Fiangonana Anosizato Hebrona ho mahery amin’ny asa misiona anatiny sy ivelany ary mankamamy fiombonana !
Ny Mpitandrina RANDRIAMAHADIMAMANANA Falisoa Heriniaina
Finday : 034 09 039 54 / 032 02 293 21 / 033 09 490 24 – Mailaka : falisoapast@gmail.com