FIANGONANA MIFANKATIA
Andriamanitra Izay manankarena amin’ny famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy. Nanolotra antsika tsirairay avy ny Taona vaovao 2020 ka nampitantsika afaka namakivaky ny Taona lasa 2019. Koa raha mahatsapa izany isika isambatan’olona dia tsy misy sahy mirehareha fa samy manetry tena hoe :
“ FANOMEZAN’ANDRIAMANITRA RAY ZANAKA FANAHY MASINA IZAO FAHAVELOMANTSIKA REHETRA IZAO ”
Raha hamakivaky ity Taona vaovao isika dia marina amintsika izay lazain’ny mpanao Salamo manao hoe : “FAHASOAVANA SY FAMINDRAMPO NO HANARAKA ANTSIKA AMIN’NY ANDRO REHETRA HIAINANTSIKA”( cf : Sal.23.6 ). Izany voalaza rehetra teo izany no ataon’Andriamanitra ho antsinka ao amin’i Kristy koa mitoera tsara ao Aminy ambara-pihaviny eny amin’ny rahon’ny lanitra!
Raha inoantsika tokoa izany no itondran’Andriamanitra antsika ao amin’I Kristy dia tahaka izany no ifandraisantsika amintsika samy olona sady mampanankarena izany no mahatsara ny fiaraha-monina indrindra mampandroso amin’ny fifankatiavana sy asa tsara tokoa ! Mazava izay ambaran’ny Soratra Masina fa Andriamanitra tia antsika mialoha :
“ IZAO NO FITIAVANA ; TSY NITIAVANTSIKA AN’ANDRIAMANITRA FA NITIAVANY ANTSIKA KA NIRAHINY NY ZANANY HO AVOTRA NOHO NY FAHOTANTSIKA ” I Jao.4.10. Marihina fa ny nanirahany ny Zanani-lahy Tokana dia mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Isika manana izao FAHAVELOMANA TAHAKA izao dia noho ny Iraka na Asa Misiona nataon’io Zanani-lahy Tokana io .
Noho izany, isika Kristiana Anosizato Hebrona efa nanehoan’ izany ao amin’ ny Tenin’Andriamanitra ambara sy torina , mila zaraintsika izany Tenin’Andriamanitra izany ary ivelomantsika andro aman’alina ambara-pihavin’i Kristy eny amin’ny rahon’ny lanitra !
Hahatanteraka izay voalaza teo izany ahatonga izany azo tsapaintanana dia didin’ ny Tenin’Andriamanitra isika izay mahatsiaro sy mino izany manao hoe :
“RY MALALA, RAHA IZANY NO NITIAVAN’ANDRIAMANITRA ANTSIKA DIA MBA TOKONY HIFANKATIA KOSA ISIKA ” I Jao.4.11
Manafatrafatra antsika izay zanaky ny Filazantsara : “ RAHA MISY MANAO HOE TIA AN’ANDRIAMANITRA NEFA MANKAHALA NY RAHALAHINY, DIA MPANDAINGA IZY ; IZAY TSY TIA NY RAHALAHINY IZAY HITANY, HATAONY AHOANA NO FITIA AN’ANDRIAMANITRA IZAY TSY HITANY.
IZAY TIA AN’ANDRIAMANITRA DIA TSY MAINTSY TIA NY RAHALAHINY
FIANGONANA FJKM ANOSIZATO HEBRONA, FIANGONANA MIFANKATIA